MAZÀNA NY OLON-KENDRY (AnjaraNivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAZÀNA NY OLON-KENDRY

Mazàna ny olon-kendry raha nipoiran'ny hadisoana:
Avy hatrany dia mifona.
Avy hatrany dia mibaboka, hanova ny famindrany;
Ka na dia fahendrena kely monja aza voadingany,
Dia afobe iny aminy.

Mazàna ny olon-kendry tsy mba manambàny ny hafa,
Tsy manan-tsaina hikasa
Na manan-tsaina hikatsaka, hanambaka ny efa osa.
Fa mantsy ny hevi-petsy dia karazandrazan-trosa
Tsy ho voahefa rahatrizay!

Mazàna ny olon-kendry tsy mba tia mampiasa sandry,
Tsy tia manangana ady,
Tsy tia manangana olana amin'ny hevitra tsy iraisana;
Fandrao ahavanin-doza na mety ahita faisana,
Raha tsy mahatandrin-tena.

Mazàna ny olon-kendry no voalaza ho tia mandefitra.
Hany ka mandetika,
Hany ka manitrika ny marina tsy hipoitra;
Ka mampahazo vahana ireo tsy maty manota.
"Izay no lafy ratsiny"!

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
615 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 11/09/2021 15:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104