Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY KALO TENA KANTO (AnjaraNivo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KALO TENA KANTONy kalo tena kanto amin'ny kalokalo maro
Dia ireo izay mitantara ny fahazazànao io,
Mandrakitra an-tadidy ny lasanao nandalo
Fony ianao mpanjakan'ny fisainana madio.
Ny kalo tena kanto tsy izay hiran'alahelo
Mahatonga sentosento sy mamendrofendro lava;
F'ireo izay nahavaky ny fitia tsiambaratelo
Mitoetra am-po manginanao kanefa tsy voalaza.
Ny kalo tena kanto: tsy hiram-po nilaozan-tiana,
Mampianatra ny nofo sy ny vava hiantso tody;
Tsy trangam-pisarahana lamaodin-tononkira
Fa anaram-boninahitry ny "Vetso fanafody".
Ny kalo tena kanto tsy izay kalom-pahajambàna
Manambara fientanana am-pandriana. Mahonena!
Tsy izay soratra miventy rediredina filàna;
Fa ny kanto tena kanto: "fampitàna fahendrena"!
Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
Ainampaniry Anjara Nivo
Commentaires
MAZ RAMANA
(
07/06/2021 12:08)
Hita taratra be hoe sady tia mozika no mpamoron-kira! Diso ve?
Ainampaniry Anjara Nivo
(
08/06/2021 18:59)
Ny tia mozika aloha dia zato isan-jato e. Fa ny hoe mpamoron-kira tsy dia izay loatra, kanefa koa misy tononkalo azo havadika ho hira soa aman-tsara ka.
