Tantarany (Aloky Ny Sento )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho raha mihataka lavitra ny misiny
Izaho raha somary makamaka sisiny
Izaho raha midify izato tsikitsikiny
Izaho raha milefa ny hanitra manentony
Izaho raha mifidy handa ny zavatra entiny
Izaho raha mivoana iny tondrozotrany
Izaho raha manafoana ireny lokalokany
Izaho....
Izaho raha mandotra irony saritapany
tsy akory fahadisoany na noho'ny latsalatsany
na koa hoe valifatin'ny fo voaratraratrany
Sy fanamelohana amin-javatra tsy fantany
Tsotra anefa ny antony
Ny foko izay voafatony
voafandriky ny haratony
No diso fiantefa sy sarotra nanarina
Noho izany heloko
dia adidiko mangina ny miezaka manarina
Fa tsy nisy tsininy
Dia izay sy izay no marina
#Aloky_ny_sento
#comebackagain
Aloky Ny Sento-Sarobidy Ans Poety&Mpanoratra Havatsa-UPEM
Aloky Ny Sento Ans
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
264 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Aloky Ny Sento
Inséré par : sarobidy.ans
Date : 08/02/2025 18:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113