Fisentoana (Andriamihaja Johan (H-mainty))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FisentoanaRy voninkazo soa, mandria tsimoramora
Ny Tomponao tsy toha, no niantso anao tanora
Veloma ka veloma, no ampetrako etoana
Ho fehezam-bonikazo, ho mari-pisentoana
Dia nilaozanao tokoa, ry malala izato tany
Ka izaho irery ‘ty, midradradradra mitomany
Fahoriana ve ry tany? Ho zakaiko raha didy
Fa tsy ny foko mantsy, no navela mba nifidy
Tsaroako ankehitriny fa very marina aho
Sampan-kazo manirery, fa nesorina aman-taho.
Ry Tompo ô midina, Hianao mba hijery
Ity foko izay mahantra, he singa manirery
Ka meteza Hianao hiaro, ny tena sy fanahy
Fa misy alahelo, ka be ny ahiahy.
A.L.J
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Commentaires
pouty5
(
19/09/2005 13:55)
Tiako be le izy sady mampalahelo mampitomany! Tohizo ihany