Sangisangy (Anj'art Nantenayna)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny sangisanginao , toa lasa rakitra ato ampoko, tsaroana lava izao, toa tsy mety miova lokoNy hanihaninao , toa efa sary ato antsaiko , mahatonga ahy hitalao , raha sendra , tsy anilanao
Ireny vazivazy ireny , lasa ritsoka ao antsaiko, ireny latsalatsa ireny , no manjary mamelona ny aiko
Mahagaga ilay fitia, valalanina ny saina, tsy hoe ankory sanitria, mitoreo ka mitaraina
Fa hafa ihany ilay tiavina , sady tena avy ao ampo, satria tsy aiko holavina, ianao tia ahy tokoa
Talata 27 febroary 2018
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana