Ampidiro aloha ny tenimiafina
AZA MANANTSAFA (ARIMBOLA FENOTSIKY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Tononkalo voasoratra manoloana ny fanandramana nandoro Baiboly nataon'ilay tovolahy anakiray ho fampitahana ny tranga nisy teny amin'ny fivarotam-boky Ambohijatovo Antananarivo.)Tsy azo hifanerena ny hino sy tsy hino.
Tsy azo atao mihitsy ny hinia hanadino
Fa manam-pahalalahana ny zanak'olombelona.
Manana fijery tsy ho voaloto na ho domelina
Amin'izay tsy tiany hinoana na oviana na oviana.
Fa inty no tsirin-kevitra tokony ho fadiana:
Ny hoe hanimbazimba ny masina amin'ny hafa.
Fahasahiana ratsy loatra, ka aza manantsafa!
Diam-penin'i ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Lien:
Fans:
AlphaTokiniaina - Nikita22
