kamboty velon-dray (cedric tolojanahary)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kamboty velon-dray...

Ao ala-trano ao.
misy zaza mitalaho.
Miantsoantso an'i dada.
Mitomany mibadabada.

Dada anefa amin'io,nirotra tsy tana.
Nivoaka ny varavarana.
Angamba tsy tamana,
Ka nitady hafa hisambarana.

Tsy mba nisaina kely akory,
Fa tezitra tsy mba nitony.
I Neny aza...nivonoiny.

Dia iny i dada no lasa.
Lasa tsy mba niverina.
Tsy nheveriny ho ratra.
'Reo teny mafy noteneniny.

Malok'ila teo ilay akany,
Vao tsy teo intsony i dada.
'Zay efa sambatra any ho any.
Tsy té hisaina intsony angamba.

Soa fa mbola teo i Neny.
Izay andry mbola azo hiankinana.
Teo foana izy nampahery.
Ka nam-pizotra am-pilaminana....
Ny fiainany an-kohonany.

Na malahelo aza indraindray.
Ny hoe kamboty velon-Dray.
Dia tsy mba nataon'i Neny.
Ho hita taratra amin'ny fiainanay.

Antsony fanahy
Na
Cedric tolojanahary
--------
Lien:
Catégorie : kamboty
1020 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142