Ampidiro aloha ny tenimiafina
Azafady indrindra (Ny Avo Elabakaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa tsy maintsy ho izao ny ho lalana hizoran'ny fiainako sy ianao
dia... azafady indrindra,
eny an-dalana eny, mety aho tsy afaka hamindra
mahita anao mandalo,
mety io vavako io ho enonao mikalo
ny anaranao matetika.
Mety io masoko ioo mbola te-handetika
fitiavana tsy potiky ny ora sy fotoana
mety koa ny aliko , hanofy anao foana.
Dia averiko eto ihany hoe : azafady indrindra
manko, tsy mety ho voarindra
ny fihetsiky ny tia, rehefa hoe nolavina,
tsy mety mahay mangiana, fa vao maika te-ho tiavina
maika te-hibanjina ny hatsaranao rehetra,
maika te-hametra sy hanangana lalàna hoe:
"Ny tia tsy maintsy tiana "!
Ialako tsiny indrindra.
.... dia raha mivolom-panembonana ny habakao mazana
izaho no miantso anao fa miviliana,
miviliana na tsy hamangy, fa fotsiny vimbino,
izay boky fantatrao fa mampianatra hanadino.
(Antsampanimahazo, 27 Jolay 2019 )
--------
Lien:
Fans:
henuka
