Tavela (EMI RAOELISON)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahatsiaro fotsy mbary
Adino ilay nihehy ny tany
Fa mikonina manosika
Ireto atody ho tsara hotrika

Ka niha- maivana sy lany
Tsy mety niala teo hiany
Mandamina sy manambotra
Ireo atody tsy andamoka

Tonga hiany rehefa ela
Ilay fotoana volamena
Ka reha ilay feo mahavarina
Sy kiakiaka tsy mety angina

Iny ra-reny akoho
Mitarika sy toa manoro
Mikokokoko si mihely
Mandrisika ny akoho kely

Ka manokatra ireo elatra
Mikonona na dia mavesatra
Mizara ilay afanany
Ho an’ireo dimbiny sy fara

Hary elatra ary moa
Ireto izy rehefa ela
Adino teo i reny akoho
Izy irery no tavela



SORATRY EMI Raoelison
--------
Lien:
902 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : EMI RAOELISON
Inséré par : emi
Date : 28/02/2005 16:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136