VELA-PANDRIKA (Fano)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno fitaka ny tanyEo an-tanan'ilay ratsy
Manao ny vela-pandrika
Mifono volamena
Tsy mikatsaka ny soa
Fa ny hampahonena
Hampisaraka ahy koa
@'Lay Mpamorona ny Edena
Dia nisarika ahy koa
Hanatona ny fandrika
Saika lasany ny saiko
Notarihiny ny foko
Fetsy mantsy izy,
Mitady namana hanampy
Voafingana aho anefa
Dia nandinika tsy hiantefa
Soa fa tonga Ilay Mahery
Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka
Ka nanome ny hery
Nandreseko ilay satana
Dia avotra ny saiko
Voavonjy ny fanahy
Dia izany no hiderako
Hoe:"Misaotra Anao ry Ray"
*01140615A6B
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny - Fiononana