EFA NISY TETO (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa nisy teto fo nanantena Fa niniana nilaozana tanaty ady mafy
Dia niharitra; nihafy
Fa mbola tsy foana ny fanantenany
Toa loharano tsy mety lany
Miandry ka miandry
Tsy tafandry mandry amin'ny ali-mangina
Efa nisy teto fo nanantena ny ho tiana
Efa nisy teto fo manirery
Niandrandra nijery ny lanitra ambony
Miezaka mampitony...
Ny saina tsy ho lasa lavitra
Mivavaka eto; mibanjina lanitra
Mandinika ny lasa; mamisavisa ny hoavy tsy fantatra
Mbola ankamanantatra tsy hay hoe "anao ahoana?"
Efa nisy teto fo naniry ny hahita anao hijoro anoloana
Fidy Art Niaina
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - embona - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - Fitiavana