O MBA MIVERENA! (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako malalan'ny fokotsy foiko.
Namela toloko
fa tsy hadinoiko.
Mbola manantena
ka mba miverena !
Mila anao re ny fiainako
sy ilay fisainako
tsy mety mino
fa hifanadino
dia ho rava fitia,
miverena modia !
Ekeko efa zatra
ity foko maratra
voadonam-pitia,
fa sanatria ny hamoy fo
Miverena ry tiako tsy manam-paharoa
Izay tokoa angaha no anjara
ka dia ho tantara
mipetraka sisa
izaho irery no hamisavisa...
Ranomaso mijohy toa oram-panala.
Mba miverena moa re ry Malala
Tonga nitady anao hatraiza hatraiza
fa very mpitaiza
ka nirenireny
sy nanjeninjeny.
Eto an-tokonana no lasa vinany !
Miverena fa izaho miandry eto ihany!
Fidy Art Niaina Onjaniaina - 2017
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Fans:
Fidy Art Niaina
