RY ZAZAVAVY KANTO (Fidy Art Niaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay zazavavy
nanaitra indray tsy satry
ity fitiavako natory.
Izaho ilay manavinavy,
indraindray mararirary
raha tsy jinerinao akory.

Izaho ilay mipitrapitra;
foana koa mangata-maso
rehefa injay ianao ka hitako.
Dia avy eo mitsiriritra;
te hiantso hoe andraso
nefa hatreto aloha tsy vitako.

Na ny alina aza moa,
rehefa alohan'ny hatory
zary manofinofy anao.
Ary vao maika koa
lasa toa manorisorisory
rehefa tsy an-jotra ianao.

Ka eo aho mba miangavy!
Tsy rediredy na hoe katry
fa tsiambararoa mahaory.
Ianao ilay zazavavy
nanaitra indray tsy satry
ilay fitiavako natory.

Fidy Art Niaina - 03 Jolay 2023 - 21h32
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
290 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117