TAKONA (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oh! Ilay fandoto an-tandroka irayno zary nanimba ity fandio iray siny.
Hadino ireo soa izay natao hatrizay,
fa sendra hadisoana ka nibaby tsiny
Injao fa zakaina ny eso sy latsa;
ireo vava tsy ambin'ny fo misendoatra.
He! Ny tsara natao ity toa ririnin-dasa...
Mandreraka aina sy mahakivy loatra.
Ketraketraka, indrisy, ny fo sy fanahy,
mandre fanenjehana tsy hahafaha-mandositra.
Fa ilay hadisoana izay nisy tsy nahy,
no singam-bolo nandavo ny vositra.
Fidy Art Niaina - 05 Septambra 2025 - 08h31
--------
Lien:
Fans:
Fidy Art Niaina
