Ankamantatry ny ampitso (Heriarilala )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankamantatry ny ampitso

Ny ampitso, mikobona inona ho ahy ?
Asa...manomana inona izy lahy ?
Miezaka ihany ny tena handresy
kanefa manembana foana ny fetsy !

Rahampitso, hanody soa ve ny tsara fahiny ?
Toa mbola tsy fantatra izany ankehitriny
sa ny ota taloha no hitambesatra indray
efa mieza-manarina aho mantsy fa fay.

Moa hisy fiadanana mampisonanina
sa ratsy tsy ampoizina mahavalalanina ?
Kapoaka mangidy tsy maintsy hogohina
sa rivotra manga amin'izay no hofohina ?

Tsy tompon'ny ho avy aho ry Ray ao ambony ;
mieza-mandamina, mieza-mitony ;
ny ezaka tsara moa valio voka-tsoa
mba te ho mirana re izato fo !

Heriarilala Andriamamonjy 14 septambra 2024 21:54
--------
Lien:
Catégorie : Tebiteby - Eritreritra mandalo
46 1
Fans: Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143