Any izay zandriko izay (heritreritro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izay zandriko izay ry Jesoa
Efa lavitr’ireo ahiahin’ny fo amin’ny maha olombelona
Fa velona! Tsy maty fa velona ilay irakao!
Lehibe loatra ny fitiavanao raha hamela azy hofaty,
Ho sarotra ho tanty fa tianao loatra izy!
Mihoatra lavitr’irony fitiavan’ankizy madio ts’isy pentina!
Tsy mba misy fetra, … Tsy foinao ho very ny olon-drehetra
Indrindra f’ireo zazakely ny fo:
“Anjely mpanompon’ny Tompo Jesoa” no fiantsoko azy!
Tsy vazivazy f’izany no hinoako, …
Sitrano tsy haratra intsony ny foko!
--------
Rohy:
1154 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458