Iza? (honenantsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa ianao?
No mpamorona tontolo
Mitaiza sy miloko
Anatin'ny literatiora;
Hatraiza ny fisainanao
Maha-valalanina
Maro saro-fakarina,
Ny kanto toa diavolana
Hafantarana izay dinganina..

Moa takatrao ny heviny
Rangom peniny hitoeran'ny
Aingam-panahy novolain'ny sainy,
Re manakoako mibosesika
Tsy tana ny vetsovetsom-po;
Ao ireo feo manambara
Ny teny kely manazava
Ny tena Fahazavana.

:Honenantsoa
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
408 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112