FIAINANA AN-TANY (IALY NOFY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA AN-TANY

Ny Fiainana eto an-tany
Dia misy tsiky sy tomamy .
Mety hisedra ny mafy ianao ;
Fa fitsapana ihany izany .

Ny Fiainana eto an-tany
Maro fisedrana ihany .
Ao ny tsiky hifaliana ?!
Ao koa anefa ny tomamy sy ny fijaliana .

Tsy hoe, lahatra ny fahoriana
Ka izany no hakana aretim-po .
Aza kivy ....eny foana ;
Fa izany ange ny fiainana.

Ny aty an-tany mantsy
Ahitana ny hakiviana.
Tsy lahatra hoy aho ;
Fa izany no fiainana eto an-tany .

Aza arahana alahelo
Fa ny hoavinao banjino .
Araho tsiky avokoa ;
Na tsiky sy tomamy
" Fa ny tsiky dia harena ho an'ny rehetra"

Ambatomaro-Antsobolo 19.01.22 IALY NOFY
--------
Lien:
120 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IALY NOFY
Inséré par : Ialyandrianarivo
Date : 26/02/2024 05:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141