EZAKA (ikaloyna)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba izay nafafinao : maro maty masoFa meteza indray hanosoka fa aza matin-kenamaso
na koa mijanojanona
hanolo ireo tsy vanona
Raha ho avy ny tafiotra hisompatra, handrodana
izay kely mba voatsangana
dia aza malo-tava,
sikino ny herim-po hananganana ny rava
Eny an-dalana eny hisy ny fiakarana
mandreraka, manasatra ;
fa aza miverin-dalana
dia manamboara vatsy
fa ny tanjona tsy atsy.
Mety hahintsan'ny havandra ny vokatra hotazana
raha afaka herinandro ;
fadio ny fendrofendro
dia mihidia vazana ;
fa raha hisy lohataona dia hisy fararano,
Ikaloyna
21/12/14
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - fiainana