Ampidiro aloha ny tenimiafina
HIRAN'NY FANANTENANA (ikaloyna)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRAN'NY FANANTENANATsy ny masoandro mody ery andrefana no tazako
fa ny volana mitranga avy ery atsinanana,
Tsy ny kopakopa-tanan'ny tompontany mandao no valiako fa ny arahaban'ny vahiny tonga miantrano.
Tsy ny tebitebin'ny ilaozana ery an-kodimirana no hiraiko fa ny tanjon'ny mpiremby hahazo haza.
Tsy ny fitaintainan'ny reny eo am-pamoahan-jaza no reko fa ny tomanin'ilay aina mahita masoandro.
Ikaloyna
10/12/14
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - fiainana
