Ny vady ve? (ikemba)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay nambabo ny fonao tamin'ny topi-maso indray nielatraIlay nivoady taminao ary nivoadinao koa,
Ilay ho eo anilanao anaty oram-be sy tselatra,
Ary hiombom-pifaliana aminao ihany koa!
Ny vady ve?
Tsy zanaka matoanao na hoe fari-panananao,
Tsy irakirakao akory ka anananao fahefana,
Fa namanao, eny sakaiza, ary ho rain-janakao,
tena manana ny zony fa tsy ho gejainao toy ny zaza
Ny vady ve?
Tsy nitrebona tan-kazo na tamim-bozaka aman'ahitra,
Fa olona mitafy nofo ary natera-behivavy,
Manan-dray sy reny tokony hotmenao voninahitra,
ary hotiavinao fa tsy ho ataonao havam-bady!
Eny ny vady,
Ilay efa nofinidinao hizara ny andronao ho avy,
Ka na tsara izy na ratsy, anao ary adidinao,
Koa raha tsy mbola sahy ianao ry tanora zazavavy,
Aza maikamaika hanorin-tokantrano vaovao!
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
mandefitra