Anjoanjoko samirery (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjoanjoko Samirery

Anjoanjoko samirery sisa ny eto,
Fa izay atao mampahory, mampisento.
Eny, anjoanjoko samirery,
Satria nandao ahy ianao, ry Neny.

Fa nahoana e? Sao dia tsy rariny?
Lasa tokoa mantsy ianao.
Fa nahoana aho no mizaka
Izao fangirifiriana izao?

Neny a! Miangatra ny fiainana,
Ny onenako toa tany karankaina.
Fa nahoana loatra, ry Neny? Sa ve izao tokoa no lahatra ?
Aza laozana irery, fa tsy hitony tsy hisahatra

Nefa atao ahoana?
Fa izao angamba no didy.
lasa ianao any antaranoana,
Fa tsy isika tokoa no mpandidy.

Na lavitra aza ianao ankehitriny,
Mitoetra ato am-poko hatrany.
Ny fitiavanao tsy ho lefy,
Ary ny anaranao tsy ho hadino mandrakizay.

(Ilay FANAMBY,anjoanjoko samirery,25/08/2022)
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana - fiainana - fanantenana - Alahelo
852 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116