ASA RAHA MBA FATATRAO (NY FANAMBY Nomenjanahary)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa raha mba fatatrao,Nigoika nanelatra toa ranofotsy
Ny foko adala,izay maro ny tsy mahalala
Tsy hitony,tsy akory fa miangoty,
Eny toa miaina ao anaty nofy
Asa raha mba fatatrao aky ry malala
Ny hetsiky ny fo manindry etoana
Toa manazy ahy izy hiseto lava
Taram-pitia tsy ho lefy eo anoloana
No mandravaka ny foko hihaza
Sarotra ny fitia mihaza ny tsy "tendry"
Mafy refa lavom-pitia tsy "anjara"
Marary ny fo,"iza kay no nanendry"
Sa ve "niriana" ka sanatri ho tantara
Moa ve mba fatatrao ry tiko
ny ao anatiko ao,
Samboaravoaram-pitia,makahia
Tadiom-pitiavana ,mifatratra aminao rahavana.
Asa na mba fatatrao zany
Fa ny amiko de mianky tanteraka
Raha mbola misy ho ahy re ny any
Aok'izay ny fandavana sy ny valan-dresaka
Tena rotika anie ah ee!
Tena tia anao,azafady mba "hazao"
Alaharo mba hanendry,na de tsy sitraky ny "tendry"
Safidio mba ho "lahara" na de mitakila amin'ny "anjara"
(Ilay FANAMBY,Asa raha mba fatatrao,sept 2022)
--------
Lien: