DIAVOLANA,(embona) (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diavolana,Rehefa diavolana ny alina, toa hitako foana ny tavanao
* taratin’ny volana mazava eny anelanelan-trano
* iny ianao mihazakazaka miangola ery manatona: malala ô tatano
Rehefa diavolana de toa hitako zato fijerinao
* mitopy eny anabakabaka mibanjina ity volana feno manana
* toa te hiteny enao hoe: malala ô, raha mba intsika no tonga eny de difotra tateraka lay fahasambarana
Rehefa diavolana ny alina de toa henoko foana ny teninao
* manankoanko manao hoe: toy io volana mibaliaka io malalako ny fitiavan-tsika
* ny ahy moa efa laninao tsianjery lay hoe: fitia mandrakizay tsy ho ritra
Rehefa diavolana ny alina de toa io enao anjaridaina
* mioty felam-drozifotsy iray sady miantsontso hoe: ô ry volana ô, ento zay ho any aminao
* zaho moa tsy lavitra loatra fa eo akaiky ihany mijery ity rediredinao fa toa antsoantson’ilay fitia hifandao
**Remarque :** Tsipelina sy mari-piatoana kely no nohitsiana (diavola → diavolana, anabakabaka → anabakabaka, felam-drozifotsy, sns), tsy novaina ny hevitra sy ny rima.
(Ilay FANAMBY,DIAVOLANA(embona),septambre 2021)
--------
Lien:
