Noho ianao.... (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ianao....Noho ianao iny ihany ry malalako,
Noho ianao iny satria,
Ianao ilay fananako
Mandrakizay doria
Noho ianao iny ihany ry tiako,
No antony izao
Noho ianao izany
Satria ilay tokako eto an-tany
Dia noho ianao ihany
No handehanako any ho any
Noho ianao satria
Ho mandrakizay ilay fitiavana
Veloma ry malala,
Veloma ry tiako
Veloma ry tanàna
Veloma ry mamiko
Veloma ry ankany
Feno fitiavana aok’izany
Veloma satria ny hoavintsika
No anton’izany
Veloma ry zanako,
Fandrao mitomany
Ny azo hisasarako
Dia noho ianao ihany
(ilay FANAMBY,noho ianao,septambre 2020)
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fiaraha-monina - fiainana - Fampaherezana - Alahelo - ahy - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - fiainana
Fans:
Ilay FANAMBY
