AHY sy IZY (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marina fa rava lay niarahanay nianoka
Marina fa rodana ary tena tampotampoka

Kanefa izao no teniko:

TSIARO anay ireny
AHY dia AZY koa
Fotoan-tsaro-bidy sy tsy nanam-paharoa
Nanan-kasina tokoa
Feno zava-tsoa

Ka aoka angaha tsy ho tsiniko raha mafy ny fiteniko:

- tsy ilaiko idiranao fa tantara-tsamy ireriko
Tantaram-piainanay.

Tsy olanao ny fiainany
Tsy olanao ny fiainako
Tsy ianao no itarainany
Tsy ianao no itarainako
Fa AHY sy AZY izany
ANAY dia ANAY ihany

KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fisarahana - fiainana - Fitiavana
1201 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 13/06/2013 09:40)
tsy hiditra tantara, na hitsabaka fiainana
fa amin'ny mahamanana, dia mizara fitaintainana
tsy fitia te hahalala, izay tsiambaratelo
fa te hampitraka amin'izay mampalahelo

ilay siakan-teny izay, no antony indrindra
hahalalanay fa, misy fery tsy voarindra
mitsako ny ao anatiny, mikaikitra ilay namana,
mankarary ny ainy, kanefa tiany ho tanana

dia mampahery izany, sisa angamba teny
azo anterinterina, eny an-tsisiny eny
mahereza ranabavy, izany moa ilay fiainana
alamino aloha ny fo, dia avy eo eto am-pisainana
mitantsotia ( 18/08/2013 18:49)
Henjana nareo e! ianareo anankiroe ireo mitsy no samy ankafiziko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172