AOKA HO MELOKA AHO (KIRIAH )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ôh! Ifonako ry fokoIreo sento sy toloko
'zay zakain'ny sorokao
Ao an'aliko mangina
Fo tsy zatra fijaliana
Tsy nahalala tsy fisiana
Reko sempotry ny ratra
Ady mady zay tsy zaka
Ka injao mijafajafa sy mitady handoaka tratra
Mahereza sombinaiko
Fa ny aingitry ny saiko
No mandidy sy mibaiko
Na dia tena mba lalaiko
Ny hamela anao hitia
Hiaraka hiriaria Amin' ilay tsy sarakao
Eny Ekeko ! : MELOKA AHO
Kiriah
--------
Lien:
Commentaires
dano
(
10/07/2013 05:41)
mankasitraka e!!!
kiriah
(
21/09/2013 10:31)
misaotra e!