AVELAKO ? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsimoka tsy nahy teny an-tsahan ' ny fitiavako
voninkazo sahisahy.

Sedrahin ' oram-baratra atahorako tsy hatsangana
mampanahy ahy.

Hotazako va re hifaliako vetivety ?
sa...
Ho valàko tafo asiako fefy fefy ?

Aleo angaha....

Avelako eo ho faty
dia ho naman ' ny ahi-dratsy

KIRIAH
--------
Rohy:
1468 1
Mpakafy: tsimirafylidjet
Hevitra mandeha
hery ( 23/09/2012 22:32)
Aza atositosika ihany ireny ondry botry ireny an lol
ikalamako ( 23/09/2012 22:37)
ka eh kosa zany izy hoe ahi-dratsy ry Hery koh..... manimba voly fts ireny
hery ( 23/09/2012 22:39)
vonikaso sahisahy ara hono...
kiriah ( 24/09/2012 20:26)
Aleo hoe zahàna raha mahazàka oram-baratra , ka rah tsy mahazaka ndray aleo ho lo hivadika ho zezika na dia mba hampaniry ny ahi-dratsy fotsiny aza , hahahaha!!!
Mitsoa ( 29/09/2012 08:36)
zany v?evtr ko n anao sad mahomb n malasamborn.aza tezt enao f smong n ah
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145