AVY TAIZA ARY HO AIZA ? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taiza kay ianao ry ' lay mandavo ny fisainako ?
ry ' lay tsy mihaino ny tarainako
ry ' lay mandoko ny androm-piainako .
Ho aiza kay ianao ry ' lay mpandrotsy ny fanahiko ?
tiako antsoina fa tsy sahiko
tiako afatotra ato an-daiko .

moa nitety habakabaka ?
sa hitety irony rahona ?
Ndeha hisidina hanakatra
sa ......

aza miandry fa mizora !
miteteza ny tontolo!
dia ataovy indray mandingana ny anio sy ny ampitso
dia vimbino koa ny lasa !
lolohavo ny hatrizay !
raha toa ka zakanao : dia babeo koa ny fitiavako.

Taiza ianao ka ho aiza ?,

Moa handeha hanonofy eny ambony rahona eny ? .
Aza ela / miverena !
sa .... izaho no HANARAKA ENY ?


KIRIAH
--------
Rohy:
1308 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
hasiniony ( 06/10/2012 16:52)

Eny! volan-tsinana iny, tsy ampy fatra angaha ny tarany
Mety maha sembana aza, ny misalotra ny anarany
Fa raha toa ianao ka nino, fa mbola ho fenomanana Iny
Angamba ianao tsy hanontany, ny aminy sy ny fisiany...
Mantsy hoy izy halatahaka, raha ho fiposaka masoandro
Ny tarany niantefa tany, maika loatra ianao nitango:
'lay matsanja mosarena, namakilay ny hazakazany
Ankehitrio, moa tsapanano? ...fa mibaliaka ny fitiavany.

Mibaliaka tsisy anao
Ka mandrahona tomany.
kiriah ( 06/04/2013 20:39)
... "mandrahona tomany " ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148