ISAORAKO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaorako ihany, isaorako anao
irony tomany , zay navelanao
nandràtra ny foko, nameno toloko
satria mantsy ireny
no niova ho hery
sy andian-teny,
natambatambatro
ary nasandratro
ho tononkalo
vakian ny mpandalo

Isaorako mihitsy ,isaorako koa
irony indrisy ,izay nahavoa
satria izy ireny, nanampy ombieny
ny aingam-panahiko
ka tonga haiko
ny Nanambara
sy Nitantara
miavaka tsara
ilay Namolivoly
ary koa Nanangoly

Ireo fahoriako , sy fijaliako
ireo ranomaso, irony ankaso
ireo mafy rehetra, sy reo heri-setra
tsy ho voatanisa fa tsiahy ihany sisa
dia isaorako etoana
isaorako foana
SATR ' IREO MITAMBATRA
no AMBOARA-KAFATRA
naha-tonga ahy
sy zay vita hatr izay
ho ANGOLA IRAY.


MISY TONONKALOn i HASINIONY hoe ""VALIHA "" , zay milaza fa : "" ny mpanoratra dia tahaka ny valiha ka raha tsy voasilaka ny fo-ny tsy maneno tsara ""
--------
Rohy:
1709 1
Mpakafy: lolash
Hevitra mandeha
umassac ( 22/08/2012 13:37)
ok ! mampahery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147