MALAHELO ANAO (KIRIAH )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo anao aho Dia mifamahofaho
Tsy tana fitsoriaka
Misoso be fiampita
Ny embona omban-tsiky
Indray mamikiviky
Hamonjy anao tsy anilako
D'injany koa ny hirako
Mila tsy ho voatonona
Ny tonony mimonona
Mibaby sioka tselika
Miantso anao hierika.
janahary
10/10/12
--------
Lien: