TENY AN-DALAN ' ERITRERITRO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fahanginana eny an-dalan ' eritreritro
misy arerahana misangy koa ny heriko
misy fahabangàna izay mangidy ka tsy teliko
misy fahafahana toa very tsy ho voaveriko
Nanjohy ny lalako aho
nifidy ilay mahitsy
niala sampan-dalana
nanitsy lala-masaka
nitady izay ahasambatra

saingy ....

Babangoana loatra teny an-dalan ' eritreritro
karakaina mihitsy , io angaha no tany efitro ?
tsisy horakoraka fa moana , tany hay
tsy nisy tapak olona na fatin-kazo iray
niverin-dalana aho
natopiko ny masoko
nijery manodidina
fa foana ilay tontolo
tsy nisy ninoninona

Aleoko ihany miandry anao ka !

KIRIAH
--------
Rohy:
1006 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107