TIANY KOA IANAO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Atolotra an ilay namako iray zay ! , enga anie ry zareo ahita vaha-olana)

Tiany ihany ianao
na maro sakantsakana
na zahatra tsy lakana
no entiny mitety
'reo onjan ' ny fitia
tsy ahafahany miria
anivom-pahasambarana,
tsy hanam-pitsaharana
'lay doboky ny fony
manjohy anao tsy foiny.

Tiany ihany ianao
na tsy ho azony dradraina
ilay fitia miaina
mandoro izany tratrany
mavesatra tsy zakany,
fa mody odiany adala
mba tsy hisy mpahalala
ilay fitia raiketiny
ilay fitia refesiny
anaty fandeferany,
satria ianao tsy azy izy koa tsy anao
fitia vazivazy sa ......
FITIA IRAY HO ANAO.

KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1105 0
Hevitra mandeha
Tsiroa ( 02/11/2012 09:24)
Tsara be.
kiriah ( 24/02/2013 15:36)
elaela Tsiroa tsy henoko an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012