ZAVA-MASINA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo ialahy ho levona hivadika ho lavenona
aleo ialahy aleviny ao anaty redirediny
Fa rava ialahy no tiany
Aeliny manerana ny tanin'ny fisiany
Ataony tonga zeziky ny fiainana iriany ( ny tsiaro rehetraretra)
Ialahy ho amboletra
Na mety koa ataony karazan-"tari-getra"
Entiny mihoitra sy fanosiky ny ampitsony
Aleo ialahy asitriny
Aleo ialahy ahitsony
Fa any ialahy no FAVY
sy tonga ZAVA-MASINA ho an'ny FIAINANY ho avy

KIRIAH
--------
Rohy:
1160 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103