nankaiza..? (lamour)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nankaiza 'lay mamy?
lanin'ny fetsy
iza no fetsy?
ireo mahay miresaka
resaka inona?
resaka amin-tavy
matavin'inona?
matavin-dainga
lainga hatraiza?
hatrany amin'ny tsoka
mitsoka mankaiza?
makany makany
maka ny inona?
maka ny harena
harenan'iza?
harenam-bahoaka
vahoaka aiza?
an'ilay nosy be
be manakory?
be tsy afa manoatra
hitroatra haninona?
hitady ny rariny
rariny hatraiza?
hatrany amin'ny lanitra
lanitra an'iza?
an'ny tsara fiaina
fiainana ahoana?
fiainan'ny moana
moana f'ahoana?
tsy afa milaza
hilaza inona?
hilaza ny hitsiny
hitsiny hatraiza?
hatrany amin'ny tsoka
mitsoka inona?
mitsoka ny mamy
nankaiza ny mamy?
lanin'ny fetsy....

lamour
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
1065 0
Commentaires
jooko ( 07/11/2008 04:00)
mangalatra inspiraka i litamour, vao nahazo tonokalo ohatr'io aho tany amin'ny serasera groupe fa i Ph Rajaona no nanoratra azy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : lamour
Inséré par : litamour
Date : 06/11/2008 15:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143