ny antitra. (lamour)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(tsiahy an'i Mompera Ralibera)lasa teo ny antitra
lasa fa tsy tana
lasa nandeha nody
nody ireo mpanatitra
niverina an-tanàna
f'izy tsy himpody
'reo tafa ho an'mpino
'reo dinika fanaony
'reo anatra nomeny
samy tsy hadino
fa be 'zay nataony
na soratra na teny
ilay feony miavaka
'lay tsikiny mazava
'lay endriny tsy hadino
dia entintsika ambavaka
hitsinjo lalandava
ny diantsika mpino
lasa teo ny antitra
sakaizan'ny tanora
fantatra hatry ny ela
nody ity fanatitra
sy niala moramora
fa ny asany tavela
mandria am-piadanana razoky eh.
lamour.
--------
Lien:
Catégorie :
Fahafatesana
Commentaires
winner
(
25/11/2008 16:09)
Miray hevitra @ lamour koa izahay fa misaotra