tsy niniany (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy niniany ny handratra
'lay fonao mbola tia
tsy niniany sanatria

fa ny tahotry ny hamoy
ireo fatotra sy rohy
nifanomezana omaly
s'ireo tsiky nifamaly
feno ampoka sy fatra

tsy niniany ny hiala
hanafina ny ao ampony
tsy mangina, tsy mba tony

fa ny tanjaky ny ady
nanesik'azy ho any ankady
nanafenany anao
tsy ho very sy ho lao
na ho rotik'ireo bala
atosak'ireo mpankahala

tsy niniany ny nadeha
nisafidy ny hangina
na dia mahery irony dina

fa ny sehatr'hilalaovany
feno loza itataovany
tsy tiany handravana akory
'lay fitia tsy mba matory
mandoro lava ity ainy
misamonta ao an-tsainy.

tsy niniany fa nakeny
hahasoa anao lalainy
na tsisy hino'zay lazainy

ka iriany ianao ho lafatra
iriany ianao ho sambatra
ho finaritra any ho any
toy izay ho vovon-tany.
k'avelao ny fahalemeny.

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1058 0
Hevitra mandeha
tiff ( 14/03/2009 11:33)
tiko ny tonokalonao fa tena le hevitra retra no navoakany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 10/12/2008 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144