Maika (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maika......

Fa nahoana ary no maika
Manahy sao tsy anjara?
Kanefa sao diso paika
Ka te ho maika nefa tara

Nanaraka iny sio-drivotra
Nanosika anao ao am-po
Indrisy resy ka toa difotra
Nokarakaraina nefa niha lo

Iny alina nolalavanareo
Noheverinao fa atoandro
Indrisy feno sento mitoreo
Nandeha nitady ilay masoandro

Miandrasa fa aza maika....
Fa raha tena tia anao izy iny
Hiandry anao tsy ho taitra
Satria inao no niriny....

Fa raha izato fahamaikana
No entinao hisetrasetra
Manahy sao tsy ho anjara
Kanefa noravain'ny sedra

Ny lelan'afo izay ao anaty
Ento miadana sy milamina
Fa ny tena fitia tsy ho faty
Fa mahatakatra ny lalina

Aoka ianao hitsinjo ny hoavy
Fa tsy miherika any aorina
Fa ity fiainana dia tsy misangy
Tsy maintsy mandalo fahorina

Miandrasa ihany ka mahareta
Sao sanatria ho diso paika
Sao ho tratra ka hiretarera...
Koa aleo miaritra, aza maika...


Lee Andrianalaina
14 octobre 2021
--------
Rohy:
482 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098