Manimanina (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manimanina aho izany
Ka lasalasa ny vinany
No velon-tsento sy tomany
Manembona irony lasa
Niarahana nandrasa
Sy izay mbola ho kinasa

Fa lasa tsy hay hadinoina
No tsy azo hodiana tsy tsaroana
Fa tsara ho kolokoloina
Ho raiketina anaty tantara
Ho hitan’ny dimby sy fara
Fa fitia tsy mifamarafara

Ny tantara dia mbola mitohy
Ny fitia tsy mitsaha-mamoy
Izay naotrika mbola ho foy

Any andro, any volana, any taona
Izaho sy ianao mbola hihaona
Hitanisa irony fotoana
Nisian’ny fiarahana mamy
Nigokana ny tsiron’ny tany
Toa fitiavana tsy mety lany

Ka hiara-hamerina indray
Izay vita rehetra hatrizay
Hikambanana ho olona iray
Dia ho tanteraka ilay voady fahiny
Sy ny nofiko ankehitriny
Raha toa isika tahiny

Tafahoana indray any aoriana
Hianoka anaty hafaliana
F’eo akaikin’ny tia sy ny tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Alahelo - Fitiavana
1774 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101