raha toa (masofahatelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa..

Raha tokana no dify;
Aza kivy toy izao;
Sanatriavo ny hitampify
Fa hatrakao ny lohanao!

Raha toa izy no nitsoaka
Dia safidy ny azy izany;
Tsy ianao no nandroaka
Ka fafao ny tomany!

Ilay fitiavanao azy
Izay nafonja dia nafonuja;
Tsy kilalao na vazivazy
nefa izy nentin”ny onja!

Mbola ho tsaroany indray andro any
Hiverin’izy hitady anao
Azy indray ny tomany
Ny fampionona ho anao!
masofahatelo!
--------
Rohy:
1920 0
Hevitra mandeha
ari.malala ( 31/01/2008 06:38)
tsara d tsara ny tononkalo an! mankahery ireo nilaoznaa fa misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahatelo
Daty : 30/01/2008 07:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116