Fety Be (MBL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro hono nisy korana
Teto an-tanana,
Niforona teo ny dihy sy lamako
Ka de fahagagana
Nandihy ny zatovo tamin'ny regaé
Ka tena tamana
Tampoka teo koa toa nisy bebe
Nandihy fa tsy tana
Nihira Jaojaoby,ka tena nihira
Nasiana kabôsy
Taorian'izay koa ny aoiraoira
Ilay revin'i Raosy
Fety dia fety nafana be
Tsy nisy hoatr'ity
Eny fa hatramin'ny SECURITE
Aza moa de nandihy
Hatrin'araina nandihy be ny teo
Tsy nisalasala
Na moana na jamba tô tsy nety leo
Tsy nisy niala
Avy eo nalefa ny hiran'i Bodo
Mba hoe hampi-Pà
Nefa nandihy ny salama hogo
Sy ny Rasta
Kanjo to tapitra ihany ny fety
Fa ela ny ela
Ka ny ila-kiraron'ireo izay vedety
No sisa tavela
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
1478 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MBL
Nampiditra : Rwican
Daty : 14/02/2014 19:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01