Ny foko no efa tia (MBL)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hiteny intsony ahoSatria efa fantatrao
Ny tiako ho lazaina.
Tsy hitopy koa
Na hiherika hijery
Izay saikaho kasaina
Tsy hiantso intsony
Ny anaranao
Fandrao vita tsianjery.
Tsy hisaina intsony
Izay mety ho rampitso
Izay tsy mistery.
Tsy hitady intsony
Izay zavatra tsy misy
Ankoatry ny efa aty
Tsotra ihany ny ahy
Na dia tsy mba hitanao aza
NY FOKO NO EFA TIA
--------
Lien:
Catégorie :
Vokatry ny fo