Ny Soratro ? (Miolapandry)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Soratro ?Fandraketako ny tsy azoko tenenina
Famborahako ny tiako mba hafenina
Fahatsiahivako ny lasako omaly
Fa... ivimbinako ny tsiky sy ny jaly
Fanembonako ireo lasana any ho any
Fandreseko koa ny haizin’ ity tany
Fitononako ireo hiakam - pandresena
Fa... hitolomako ao anaty fahalemena
Fitondrako ny fanilon’ ity taniko
Fanandratako ilay teny tena mamiko
Fisentoko koa ' reo lavitra any ho any
Fa... hamelomako ‘reo nody ho vovotany
Mpanasitrana ‘reo fery miharo rofy
Sy mpisarika mitondra anaty nanofy
Tapitra ny teniko…
Fa matoriza ianao ry peniko !
Miolapandry
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina