Hamboraka fitia (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hamboraka fitiaahoana re no atao
hamborahako fitia aminao
ho alefako taratasy ary?
Sa ho ataoko toy ny kabary
iza anefa no hitondra
raha alefako taratasy
ilay teny diamondra
izay teny malagasy
izaho anefa tsy sahy
raha ataoko toy ny kabary
izaho toa manahy
raha iteny miharihary
dia ahoana re no atao
sa ho teneniko amin'izao
tsy ataoko kabary lava be
tsy ataoko taratasin'ny kahie
mmmhm, toa tsy tsitako ihany
izay hatao amin'izany
ahoana ihany re ity
f'izaho dia tena tia
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana