Alahelo sy tomany (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo sy tomanyNy masoko bongo sy mena, Manganohano tomany
Toa miondrika raha jerena, Mandinika lava ny tany
Manontany tena hoe nahoana, Mila hitroatra indraindray
Hoe rahoviana vao hiaona, Sy hifankahita izahay
Fendrofendro sy malahelo, Mahatsiaro fa hoe tokana irery
Mitsiahy ireo tsiambaran-telo, Tsy mety ho hadino velively
Mamisavisa ireo kinasa natao, Lasalasa saina any ho any
Mahatsiaro lava ilay endrikao, Izay tokana tsy roa aman-tany
Vonton'alahelo sy tomany, Ity foko izay mbola tia
Mahatsiaro anao lavitra any, Ilay fitiavako anao ho doria
Ka asa raha azo veroka, Raha mbola tia ve ianao any
Fa ny fiaianako mahatsiaro lesoka, Banga anao ilay tokana an-tany
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana