Any aminao (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any aminao anyno misy ilay hatsarana
tsisy mpanana eto tany
fa miavaka hatrany
any aminao avokoa
no misy ilay tena soa
na bika io na endrika
tena kanto sy mendrika
any aminao koa
ny misy zavan-tsoa
ny angola sy ny tsiky
tsisy mpanana fa dia vitsy
any aminao tokoa
r'ilay anjeliko
no mitosaka avokoa
ny mamy sy ny soa
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
malagasytononkalo2017 - tononkalokanto2017 - malagasytononkalo - nambininarobertnalison60 - nalsonrazakariasa2015