Fakam-panahy (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fakam-panahy

iza moa no tsy hifanehitra
amin'izany fakam-panahy
nefa fady mamohehitra
ny anabavy rahalahy

iza moa tsy voasarika
amin'izany fakam-panahy
izay manimba, mamandrika
amin'ireo sahisahy

iza moa no tsy handalo
amin'izany fakam-panahy
aza atao hampimalo
aza manana ahiahy
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
393 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217