Fisarahana (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana

ianao no lasa
namela ratra
ny foko torovana
fahalelovana

ianao no dila
izaho mbola nila
fa navelanao
nangaina toy izao

ianao no nandao
namela ahy irery
izaho mba nitalaho
tsy nisy mpijery

ianao no nanadino
ny tantaran-tsika
izaho toa tsy nino
ho rava ny amintsika

ianao no nandeha
nandositra ahy
malasana re
f'izaho tsy manahy

ianao no nandrava
ilay fiarahana
indrisy ady lava
izany no nibahana

ianao no namotika
ilay fahasambarana
indrisy nandrotika
ilay fisarahana
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fitiavana
640 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156