Ho an'i Neny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i neny

Fetinao ry neny
Fetinao ny androany
Ka etsy misy teny
Mitory teny mamy
Ho atolotro ho anao
Izao an-kehintriny izao

Neny a
Efa reraka ery
Izato ianao ry neny
Nitaiza anay tety
Nananatra, niteny
Ka ho vali-babena
Atolotray ho anao
Dia ny fahendrena
Sy hankatoa anao

Neny a
Ianao sy i Dada
Ilay nampianatra nibada
Koa tiako avokoa
Ianareo roa
Tsy misy mahasolo
Anao ry neny
Ianao ilay nikolo
Nanambitamby ombieny

Neny a
Mamiko ianao
Tsy foiko handao
Eny, Tiako foana foana
Indrisy...
Isika tsy afaka ny hiaona
Fa nosoparan'ny tany
Ka lavo tamin'izany
Ianao ry neny
Ka tsy afaka miteny
Fa efa vovoka sy maina
tsy afaka miaina

Neny a
Anio aho hangina
Eny, Fa fahoriana
Ny nandaozanao anay
Ry neny maminay
Koa izao fetinao izao
No hisaonako anao
Mandria am-piadanana
Ry neny tsy foiko
Ray Ă´...
Raiso ho eo an-kavanana
Anao...
Satria tena tiako
Iny neny malalanay
Tianay maminay

Neny a
Farany re ry neny
Dia izao hambarako izao
Fa ireo anatrao sy teny
Dia tandroviko hatramin'izao
Eny, fa mandrakizay
Dia hankatoavinay
Koa veloma mandrampihaona
Mino aho fa mbola hiaona
Any isika re ry neny
Fa tombon-dalana ihany ireny
Fa isika samy ho any
Samy handao ny tany
Veloma neny
Sady latsaka tomany
Satria ianao irery
Ilay tokana aman-tany
--------
Rohy:
4143 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0486