Lasa ianao (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa ianaolasa ianao nandao
niova tiana vaovao
fa izaho navelanao
nangahiahy toy izao
lasa ianao tsy tana
fa hoe leo, tsy tamana
fa izaho navelanao
nangina irery toy izao
lasa ianao nidila
lasa nangingina
fa izaho navelanao
manirery toy izao
lasa ianao nifindra
any an-kafa, fa izaho
ilay tsara famindra
kanefa tsy tianao
lasa tsy nanao veloma
lasa ianao ka nandona
ny ambavan'ity foko
voatery nitoloko, nitokoko
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Fitiavana